Actualités

Fanafihana 1 miliara Efa-dahy naiditra am-ponja vonjimaika


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010


Niakatra tetsy amin’ny Fampanoavana ny sabotsy lasa teo ilay raharaha fanafihana vola mitentina 200 tapitrisa ariary tetsy Ankadifotsy tao amin’ny orinasa sinoa iray sady mpividy no mpivarotra vato. Raha araka ny vaovao azonay dia efa-dahy no naiditra am-ponja vonjimaika taorian’izany. I Rija izay fantatra amin’ny anarana hoe : «Ramiaramila» no tena voarohirohy ho atidoha nikotrika ny fanafihana. Raha tsiahivina dia herinandro lasa izay no niditra mora foana tao amin’ilay toerana, toy ireny olon-tsotra hivarotra vato ireny ireo efa-dahy. Vao tafiditra tao anefa ry zalahy dia nototany ny vato nentiny ilay sinoa. Norahonana ho faty avy eo ary namoaka ny volabe ihany. Roa andro taorian’izay dia saron’ny BC teo Ankadifotsy ihany Ramiaramila. Io avy eo no nahafahana nisambotra ireo namany telo hafa. Ny tsy fantatra dia ny hoe mbola sarona niaraka tamin’izy ireo ve ny volabe nandritra ny fisamborana ? 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT