Actualités

Fanafihan-jiolahy tany Tolira Mpivarotra iray voatifitra teo amin’ny fony, nanjavaona ny 30 tapitrisa


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Miverina indray ny fanafihana mitam-basy ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Mpianatra iray, 38 taona, manambady manan-janaka, taona fahadimy amin’ny lalam-piofanana « science sociale » ao amin’ny oniversite Maninday Toliara no maty tsy tradrano notifirina valolahy nirongo basy telo teo amin’ny fony, ny alin’ny zoma teo, tamin’ny 10 ora latsaka fahefany, teny amin’ny Maninday Toliara (bloc Palestine 47/48). Raha ny vaovao voaray dia mivarotra fahana amin’ny finday ity mpianatra maty ity, ka tamin’io andro io, dia nahazo vola « Sico » 6 tapitrisa ariary izy. Ankeviny efa fantatr’ireo jiolahy nitahiry volabe an-trano izy.

 


Tsy nisy sahy nivoaka ny manodidina

Ny alin’io anefa nisy nadodona tao an-tokontany ka nivoaka ary tifitra variraraka no niandry azy. Niditra tao an-trano avy eo ny telo tamin’ireo jiolahy naka ny vola sy nangorina ireo entana izay zakany toy ny solosaina, baffle, lecteur, finday fito, sns. Ny dimy tamin’ireo jiolahy tety ivelany kosa namono an’ilay ramatoa vadin’ity maty nitsoaka. Vokatry ny daroka tapaka ny tanany havia, vaky ny lohany. Lasa ireo jiolahy rehefa niliba tamin’ny asa ratsiny, ka mbola karohina hatramin’izao. Noho ny tahotry ny vavam-basy tsy nisy sahy nivoaky ny trano ny teo amin’ny manodidina.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT