Tsy misy fitsaharany tanteraka ny asan-dahalo any amin’iny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny.Raha ny herinandro lasa teo dia ny tanànan’ireo mpifindra monina tao Betamotamo,fokontany Morafeno
kaominina Anjoma Ramartina indray no notafihan’ny dahalo ny alatsinainy 22 Desambra.Nahagaga ny mponina ity fanafihana ity satria vao maraina tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any.Mbola lavitra ireo dahalo dia efa nikotaba sy nitsioka kiririoka ka mailo ny mponina ka navoaka ny vala ny omby.Raikitra ny fanafihana ka tsy nisy omby azon’ireo dahalo intsony ka ireo mponina no nanamparany ny hatezerany.Nifanjevo ny ady sy ny tifitra ka lehilahy iray no notifirin’ireo dahalo teo amin’ny vavany ka maty tsy tra-drano izany.Olona hafa kosa voatrobaky ny lefona saingy tsy maty rehefa nahazo fitsaboana taty amin’ny hopitalin’Andranomadio ny herinandro lasa teo.Raha ny fandinihan’ny maro dia karazana valifaty ity nataon’ny dahalo ity ka ity lehilahy ity mihitsy no nokendrena satria ao aminy no mivantana ireo zandary miasa amin’ny “Poste Fixe”, izay nangatahan’ireo mpifindra monina ao Betamotamo.Tamin’io fotoana io nefa dia tsy tany an-toerana ireo zandary ka nararaotin’ireo dahalo izany nanaovany ny asa ratsiny sy nikendreny ity ranamana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.