Nanana ny fotoana nanomanana ny fanoherana sy fanafihana mialoha ireo andiana malaso miisa hatrany amin’ny 500 izay nanafika tao Mahatsinjo Kaominina Firaisa Distrikan’i Betroka ny mpitandro ny filaminana raha nohenoina ny teniko, hoy ny CT Randrianasolo Nicolas avy any an-toerana.
Marihina fa dahalo 7 sy mpitandro ny filaminana 3 no namoy ny ainy tamin’ny fifandonana niseho ny alahady lasa teo. Vao ny zoma 31 aogositra dia efa naharay antso avy amin’ny mponina milaza ny fisian’andian’olona mivorivory ity mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity ary nampandre ny kaomandin’ny borigady ao Betroka sy ny praiminisitra avy hatrany raha ny fitantarany. Mbola nohamafisiny koa izany ny sabotsy 01 septambra. Efa nahafantatra ny fisian’io fanomanana fanafihana nataona andiana dahalo io ny “Etat Major” eo anivon’ny zandary ary nampita ny loharanom-baovao tamin’ny kaomandin’ny kaompania ao Betroka, hoy hatrany ny CT Nicolas. Tsy noraharahaina ilay loharanom-baovao nampitaiko satria nanda ny fisian’izany ny lefiny voalohany. Tena vitan’ilay lietna mihitsy no namahan-dalitra ny lehibeny. Zandary nandritra ny 19 taona aho ary nianatra momba ny loharanom-baovao koa kanefa nohamaivanina.
Marihina fa tany an-toerana ny CT Randrianasolo Nicolas ary ny alahady maraina mialoha ny fifampitifirina izy no niakatra aty an-drenivohitra hamonjy fiaramanidina satria hanainga hamita iraka any ivelany ny tenany. Teny an-dalana anefa izy dia mbola nifampiantso an-telefaonina tamin’ilay kaomandin’ny borigady izay namoy ny ainy. Ity farany izay niangavy avy hatrany ny handefasana helikoptera haingana any an-toerana satria tratran’ny be no ho ny vitsy. Tamin’ny 8 maraina izy ireo no nifampiresaka farany ary efa maty tsy nandeha intsony ny findain’Itompokolahy tamin’ny 9 ora. Raha ny loharanom-baovao azon’ny CT Nicolas omaly tamin’ny 11 ora maraina teo ho eo dia mizotra miantsinanana ireo omby 300 isa lasan’ireo malaso raha efa am-pelatanan’ny zandary kosa ny 800 tafaverina.
Efa mihatonga tsikelikely any Betroka koa ny andiana mpitandro ny filaminana avy any Fianarantsoa (Ihosy) sy Toliara (Sakaraha). Vahaolana maharitra amin’ny alalan’ny fanampiana ny isan’ny zandary miasa any an-toerana sy fanomezana fiara ahafahan’izy ireo manao ny fanenjehana haingana kosa no tena andrandrain’ny mponina, hoy izy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.