Vary vao nohafarana avy any Inde sy Birmania ary Pakistan 15 kamiao no tonga tao amin’ny tsenan’Anosibe omaly ho vahaolan’ny fitondram-panjakana hampidinana ny vidim-bary eny an-tsena.
Vahaolana pomady na tefy maika ihany io, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC, Lita Rabetsara, saingy tsy misy vahaolana ankoatr’izay hita aloha izany, noho ny fisian’ny haintany farany teo, mandra-piverin’ny fotoam-pamokarana ara-dalàna. Nidina tany Ambatondrazaka aho ary nilaza ireo tantsaha fa ny 15%-n’ny vokatra ihany no tafakatra tany an-toerana. Tsy misy vary gasy latsaky ny 2000 ariary intsony izao ny kilaony saingy mba manana safidy aloha isika satria misy elanelany 420 ariary amin’ny vidim-bary avy eto an-toerana ilay avy any ivelany izay 1580 ariary. Betsaka ny vahaolana. Tokony hanara-maso ny vidim-bary ireo mpanjifa, tsy voatery ho vary foana no hohanina fa ny Antandroy izao mirijarija tsara amin’ny katsaka sy mangazo sy izay vokatra hafa any an-toerana. Vahaolana maharitra kosa, hoy izy, ny fananganana dobo lehibe fitarihan-drano ahafahana manondraka ireo tanimbary na ilay antsoina hoe “Forage”.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.