Actualités

Fanadiovana ny tanŕna Nanentana ny teny amin’ny boriborintany faha-6 i Neny


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Nidina ifotony tampoka teny amin’ny boriborintany faha-6 omaly ny ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana sy ireo teknisianina mpiara-miasa aminy ao amin’ny kaominina.

 


 

 Tanjona tamin’izany ny fanentanana ny mponina mba hitandro mandrakariva ny fahadiovana sy mba hanana trano fivoahana (WC) isan-tokantrano. Tsy nijanona tamin’izay fotsiny anefa fa nentina teny an-toerana ihany koa ny fitaovana madinika tahaka ny kifafa, angady, boroety sy ny fitaovana vaventy (tractopelle, pelle mecanique, pompe mixeur citerne) mba hanadiovana ireo tatatra sy lakan-drano izay feno fako ka mampikatso ny fikorianan’ny rano maloto. Tsy maintsy atao amin’ny boriborintany rehetra eto an-drenivohitra ity asa ity ho fiomanana sahady amin’ny mety ho fiakaran’ny rano. Ampiarahana amin’ny fanentanna ny mponina isam-pokontany anefa izany satria na hanadio isan’andro aza ny kaominina kanefa manary fako anaty tatatra foana ny olona dia tsy misy dikany ny ezaka rehetra atao fa dia ho tsentsina foana ny tatatra ary ho dibo-drano ny fokontany maro eto an-drenivohitra rehefa tena mijojo ny orana.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT