Actualités

Fanadiovana ny karaman’ny fonksionera Misy olana ilay “Logiciel” AUGURE


  • Talata 19 Desambra 2017

Mety hangidy ny fetin’ny noely sy ny taom-baovao ho an’ny mpiasam-panjakana maromaro amin’ity indray mitoraka ity satria ankoatra ny polisy dia mbola misy mpiasam-panjakana hafa toy ny zandary, mpampianatra no tapaka karama na banga karama tamin’ity volana desambra ity.

 

 Ambositra sy Antananarivo Renivohitra aloha no tena nahazoana vaovao hatry ny omaly hariva. Nisy tompon’andraikitra miisa 2 izao tonga dia tapaka karama tanteraka eo anivon’ny DREN Analamanga. Nisy koa no tapaka karama teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Misy ireo tonga dia tapaka 100% ny karama, misy kosa ireo banga 30 000 ariary ka hatramin’ny 70 000 ariary. Fanohizana ny fanadiovana ny karama eo anivon’ny asam-panjakana no antony raha ny fikaroham-baovao notanterahana. Nahatsapa ny fanjakana fa mavesatra ilay karama satria 41,1%-n’ny tetibolam-panjakana amin’ny ankapobeny tsy mbola misy famatsiambola avy any ivelany dia lasa karama na koa 45%-n’ny vola ampidirin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny hetra dia lasa karama avokoa. Nisy ary ny tetikasa natomboka ny taona 2015 nanaovana io fanadiovana io ka voakasik’izany ny momba ny karama sy ny vola fisotroan-drononon’ny mpiasam-panjakana. Nampiasaina nanomboka tamin’ity taona ity ny rindram-baiko (logiciel) AUGURE (Application Unique pour la Gestion Uniforme des Ressources Humaines de l’Etat) izay afaka mijery ny resaka famindran-toerana (affectation) an’ny mpiasam-panjakana sy ny karamany. Ny “Direction Générale de la Gestion Financière du Personnel de l’Etat », departemanta iray eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola eny Antaninarenina no miandraikitra azy io amin’ny alalan’ilay tetikasa PAGI na tantsoroka amin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Efa nisy tamin’ny fiandohan’ity taona 2017 ny mpiasam-panjakana sokajiana ho tsy manara-dalàna miisa 5472, niampy mpiasam-panjakana ambony efa nesorina tamin’ny toerany  miisa 1480 tapaka karama avy hatrany rehefa natao ny fitsirihana. Mbola mitohy ny fampiasana io rindram-baiko AUGURE io amin’izao fotoana, ka nahatonga ireo fanapahana karama notaterina tetsy ambony ireo.Re anefa fa nisy ny kajy diso tamin’ity volana desambra ity ka niteraka fikorontanana tamin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana.Nisy noho izany ireo olona tsy tokony ho tapaka karama kanefa dia tapaka karama; fantatra anefa fa efa nokarohana ny vahaolana, ary efa tonga any amin’ny banky omaly hariva ny vola ho an’ireo mpiasam-panjakana. Ny mampieritreritra fotsiny dia ny ny momba ireo fonksionera tsy tokony ho tapaka karama kanefa tapaka noho ny fahadisoan’ny kajy na fifamadihan’ny tarehimarika. Inona no anton’ny nanesorana 30 000 ariary ka hatramin’ny 70 000 ariary ny karaman’ny sasany ? Io ve ilay fanadiovana sa mbola kajy diso ihany koa ?

RTT 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT