Actualités

Fanadiovana ireo lakandrano eto Antananarivo Manampy ny kaominina ny Alemana


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Efa mandray andraikitra amin’ny fanadiovana ny tanàna ny isaky ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra.

 

 Hotohizana ny asa ahafahan’ny mponina miatrika am-pitoniana ny fahavaratra sy hifety ao anatin’ny fahadiovana tanteraka. Hanomboka tsy ho ela rahateo ny asa fanadiovana ireo lakandrano, araka ny fanambaran’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana nandritra ny fidinany ifotony teny Manarintsoa Atsinanana omaly.

Andrana fanadiovana

Efa eto Antananarivo Renivohitra ankehitriny ry zareo mpiara-miombon’antoka avy any Alemana. Tonga miaraka amin’ireto vahiny ireto ihany koa ny fitaovana raitra ilaina amin’ny fanadiovana ireo tatatra tena maloto sy tsentsina manembatsembana ny fiainana andavanandron’ny mponina. Nanatrika ny andrana fanadiovana teny an-toerana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa teknisianina avy eo anivon’ny kaominina sy ireo manampahaizana alemà moa i Neny. Santatra am-bavarano ihany ny notontosaina teny anivon’ny boriborintany voalohany fa ny manetsa be mbola ho avy manerana ireo fokontany 192 mandrafitra ny boriborintany enina. Fandaminan-draharaha sisa no atao dia hisitraka ny vokatry ny asa fanadioavana ireo lakandrano amin’izay ny vahoaka eto an-drenivohitr’i Madagasikara.

Fiaraha-miasa ho fampandrosoana

«Tsy misy loto tsy voadio ary tsy misy loto madio ho azy», hoy i Neny Lalao Ravalomanana nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ireo mponina teny an-toerana. Andraikitry ny tsirairay ny asa fanadiovana ka nanentanany ny isam-batan’olona hiasa hiaraka amin’ny kaominina ho fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT