Actualités

Fanadiovana an’i Toamasina Natomboka omaly ny asa


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Mavesatra ny takaitra navelan’i AVA ao Toamasina. Tapaka efa ho 5 andro ny jiro sy ny rano ka ireo olona manana milina mpamokatra herinaratra ihany sisa no nahita mazava sy afaka nihaino radio.

 

 Potika hatrany amin’ny 10 % ihany koa ny fotodrafitrasa, voabahan’ny hazo nazeran’ny rivotra ny arabe, miampy ireo fako avy any an-tranon’olona niniana navoaka teny amin’ny arabe ka nampitombo ho avo roa heny ny fako noraofin’ny kaominina. Tsy niandry ela ny Ben’ny tanàna Elysée Ratsiraka nanoloana izany fa niantso ireo malala-tanana sy mpiara-miombon’antoka aminy mba hifanohana aminy amin’ny asa fanadiovana ny tanàna. Anisan’ireny ny Jovena, ny Galana, ny Sikonina, ny Telma… izay nahazoana nampiasa Engins miisa 40. Natomboka omaly avy hatrany ny asa fanadiovana  noho izany notronin’ireo mpiasan’ny kaominina rehetra sy ireo olon-tsotra mivondrona ao anatin’ny fikambanana Appel. Notsindrian’ny Ben’ny tanàna Elysée Ratsiraka fa hovitaina ato anatin’ny 72 ora ny asa fanadiovana ny tanànan’i Toamasina. Tsy afaka hiandry ny tsy afaka isika na dia tanàna iaraha-manana aza i Toamasina. Tsiahivina moa fa nahatratra 100 ireo traboina ao Toamasina nafindra monina ao amin’ny gymnase Soavita amin’izao fotoana izao ka ny vadin’ny Ben’ny tanàna Juliana Ratsiraka no mandray an-tanana azy ireo. Omena sakafo maraina, atoandro sy hariva izy ireo raha nojereny manokana ihany koa ilay fianakaviana maty vady. Mbola nampanantena moa Rtoa vadin’ny Ben’ny tanana fa hanao asa soa ho an’ireo vehivavy ao Toamasina ihany koa ny datin’ny  08 martsa ho avy izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT