Actualités

Fanadiovana an’Antananarivo Esorina ireo « 4’mi » teny Anosy sy Anosibe


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

Ny alatsinainy alina teo nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany ny fanentanana sy fampilazana ary fampitandremana ireo « 4’mi » teny amin’ny faritra Anosizato atsinanana,

 Anosibe ary Anosy akaikin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona sy ny orinasa colas, amin’ny mba hialan’izy ireo eo amin’iny faritra iny. Tena feno hipoka azy ireo tokoa ny manodidina ny boriboritany faha-4. Ankoatry ny loto sy ny fofona avelan’izy ireo anefa, dia manjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana toy ny sinto-mahery sy ny haro-paosy, ka isan’ny lasibatra matetika ireo olona tafody alina. Natao izao fampilazana sy fampitandremana an’izy ireo izao, dia mba hiomanan’izy ireo, ka tsy ho tampoka amin’izy ireo ny fanalana azy eo amin’ny toerana voarara.  Fitandrovana ny fahadiovana sy ny filaminan’ny tanàna, ary indrindra ny fandriampahalemana no tanjona amin’izao hetsika izao. Araka ny nambaran-dRatsimbarison Herifidy, lefitra faharoan’ny delegen’ny boriboritany faha-4, dia nanaiky ny hiala ireo « 4’mi » ireo, na dia nisy somary nitabataba sy nanohitra ny filazana aza. Nanomboka omaly alina ny dingana voalohany amin’ny fanalana ny « 4’mi » eny amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo, ka hitohy ny anio izany ary tsy hifarana raha tsy ny zoma 11 aogositra ho avy izao ho an’ity herinandro ity. Mba hampaharitra ny asa dia hatao in-telo isan-kerinandro mandritran’ny roa herinandro ny fanalana.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT