Actualités

Fanadinana ho mpianatra mpitsara Hesorina ireo mpiadina saika hanao kolikoly ?


  • Talata 27 Febroary 2018

Mbola miteraka resabe hatramin’izao ny fanafoanana ny fanadinana hidirana ho mpianatra mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny ENMG noho ny resaka kolikoly. Efa nesorina ny tompon’andraikitra voalaza fa voakasik’izany, toy ny Tale ara-bola na ny DAF.

 

 Ny Bianco mihitsy no nanizingizina fa misy ny porofo tsy azo hialana momba ny resaka kolikoly ka nangatahan’izy ireo fanesorana ny tompon’andraikitra voatonona mba hanana antoka amin’ny fangaraharana. Andrasan’ny rehetra ny tohin’ny tantara amin’izao fotoana izao hoe : hisy ve ny fanenjehana ara-pitsarana ho an’ireo voaporofo fa nanao kolikoly avo lenta tamin’ity raharaha ity. Sady mampitotongana ny asam-pitsarana sy manome endrika ratsy ho an’ny mpitsara ny raharaha tahaka izao, ary vao mainka mampitombo ny tsy fitokisan’ny vahoaka. Vao manomboka izany dia efa kolikoly, ka lojika be rehefa tena lasa mpitsara, raha tsy mikatsaka afa tsy ny hamerina ny vola nolaniana tamin’ny fidirana tao aloha no laharam-pahamehana. Raha tamin’ity resaka kolikoly tra-tehaka teo ity, dia lojika hoe fantatra izany ny olona nikatsaka ny hanao izany, ka mbola havela hanohy ny fanadinana ve izy ireo ? Hisy ve ny fanadihadiana lalina hahafantarana ireo mety ho olona ambony hafa manao tsindry ny hampidirana azy ireo ? Tsy ity resaka fidirana ho mpianatra mpitsara ity ihany no ahenoana resaka kolikoly, fa fifaninanana ara-panjakana maro. Anisan’ny resaka miely ankehitriny fa misy olona ambony eto amin’ny firenena mikatsaka ny hampiditra polisy 300, ka izay no tsy hivoahan’ny valin’ny fifaninanana na dia efa tamin’ny jolay 2017 aza. Tsy hay izay fahamarinan’io resaka miely io satria tsy mbola nisy aloha ny fanazavana mafonja avy amin’ny tompon’andraikitra hatreto, ka maro no miroaroa saina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT