Nifarana omaly alahady raha naharitra roa andro ny fanadinana hidirana ho polisy. 650 izay tena mahay sy mendrika no raisina, ary foana hatreo ny akamakama sy ny resa-pianakaviana sy « quotas », hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka
Noho ny fiaraha-miasa amin’ny Bianco sy ny minisiteran’ny Asam-panjakana dia hangaraharaha tanteraka ity fanadinana ity, hoy hatrany ity manam-boninahitra jeneraly ity. Raha tany Toliara dia tao amin’ny lycée Laurent Botokeky no toeram-panadinana ary hentitra ny fanaraha-maso sy ny fampiharan-dalàna nataon’ny tompon’andraikitra.
Misy inona afenina ?
Ny mampalahelo dia hatramin’ny mpanao gazety nanatanteraka ny asany ny sabotsy teo tany Toliara dia noroahina sy nanaovana tompon’andraikitra iray avy aty an-drenivohitra teny avona sy noroahiny hivoaka ny vavahady, ka tsy nahazo naka sary na nikaro-baovao. Natonina ity kaomisera bokotra enina ity nangataham-panazavana. Valin-teny tokana nisesisesy no navoakan’ny vavany : « mivoaka, tsy mila mpanao gazety aloha ». Vaka ihany ny saina : misy inona afenina ? Angaha tsy mangarahara indray ? Sa ny fanadinana hidirana ho polisy an’i Toliara manomboka izao tsy azon’ny mpanao gazety hikaroham-baovao na halaina sary intsony ? sa izany no atao hoe : « Tsindry bokotra » ? Diso adiresy. Samy faritan’ny lalàna amin’ny asa sy andraikiny ny tsirairay ary manan-jo hahazo vaovao isan’andro ny vahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.