Actualités

FANADINANA CEPE 28.539 ireo mpiadina ho an’Antananarivo Renivohitra


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Nifarana ny 28 martsa lasa teo rehefa nanomboka ny 12 janoary 2015 ny fanaterana ny antontan-taratasy teny amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ho an’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana CEPE amin’ity taona ity.

Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo manokana dia foibem-panadinana miisa sivy amin’ireo 15 no nahatonga izany izay misy mpiadina manodidina ny 28.539. Na izany aza anefa mbola vinavina ihany io isa io, raha araka ny fanazavan-dRandrianaivoarijaona Roger, tompon’andraikitra misahana ny fanadinam-panjakana ofisialy eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo. Tsy mbola tafiditra ao anatin’io isa io avokoa mantsy  ireo mpianatra teny amin’ireo toerana nisy traboina ankoatra ireo ivontoerana miisa enina izay mbola manana olana amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny mpianatra. Enin-taona no zandriny indrindra amin’ny mpiadina raha 37 taona kosa no zokiny indrindra. Ny 21 Jolay ho avy izao moa no hanatanterahana ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT