Hivoaka amin’ity herinandro ity avokoa ny voka-panadinana BEPC manerana ny Nosy raha araka ny fanazavan’Andriamampandry Todisoa, tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena
. Efa nisantatra izany sahady ny fari-piadidiam-pampianaran’i Faratsiho, Beroroha, Ambatolampy ary Ikalamavony ny faran’ny herinandro teo noho ny ezaky ny mpitsara sy ny fahampian’ny fitaovana nentina nikirakirana ny naoty, tolotra avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Anio alatsinainy 10 aogositra kosa no tokony haterina etsy amin’ny INFP Mahamasina ny naotin’ireo mpiadina rehetra niatrika izany ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra hampidirina anaty solosaina mialoha ny hamoahana ny vokatra. Raha tsiahivina moa dia taratasim-panadinana miisa 8.300 no nokirakirain’ireo mpitsara nanomboka ny alarobia lasa teo. Ny 90 %-n’ny asa fitsarana no efa vita tanteraka ny sabotsy hariva lasa teo ankoatra ny taranja Anglisy raha ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny LMA Ampefiloha. Andrasana, araka izany, ny vokatra avy any amin’ny distrika hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.