Nitombo isa ny mpiadina mpaka tahaka lava maso sy faingan-tanana nahazo fampitandremana. Mpianatra dimy no tratra nanao hosoka nandritra ny fanadinana bakalorea tany Toliara.
Ny telo tao amin’ny toeram-panadinana tany Betioky, izay tratra nitondra dika mitovy sy nitondra kahie misy ny lesona. Nitondra « carnet » misy ny lesona ihany koa, ny iray sarona tao amin’ny lycée Laurent Botokeky. Ny mpanao hosoka fahadimy kosa dia tsy mpiadina fa tonga nisolo olon-kafa. Teo amin’ny kara-panondro nifampitaingina ny sary ary tsy misy tombokase ilay ety ambony no nahatrarana azy. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia nandritra ny adina tantara sy jeografia no niseho ireo rehetra ireo. Nandraisana fepetra ireo mpanao hosoka ary natolotra ny fahefana mifanandrify amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.