Actualités

Fanadihadiana momba ny boaderozy Tsy nahafa-po an’i Omer Beriziky


  • Talata 06 Novambra 2012

Nandritra ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny Kongresin’ny tetezamita omaly no nilazan’ny praiminisitra Omer Beriziky fa tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy ny fanaovana ny fanadihadiana momba ny trafikana boaderozy eto amintsika.

 Voarainay tsara ny fanakianana ny amin’ny hoe fa nahoana no ireo mpiasa madinika foana no voasambotra sy gadraina, hoy ny praiminisitra ary hita fa tena mitombina izany. Mbola miriaria eny rehetra eny kosa anefa ireo tena atidoha mikotrika. Misy ny zavatra tokony hamboarina amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana, hoy ny lehiben’ny governemanta. Fanakianana mivantana ireo mpitandro filaminana miandraikitra ny fanadihadiana no nandraisan’ny maro izany tenin’ny praiminisitra izany, izy rahateo dia efa nisy fotoana nanambarana fa mety eto Antananarivo eto ireo atidohan’ity aferana hazo sarobidy ity, fa mpiasa sy irakiraka fotsiny ihany ireny voasambotra any anaty ala sy eny amin’ny lalam-pirenena ireny. Ho an’ny praiminisitra dia tsy maintsy ampiharina amin’izay mandika azy ny lalàna.

Azo heverina fa mahafantatra tsiambaratelo betsaka momba ity raharahana boaderozy ity ny praiminisitra Omer Beriziky izay misahana vonjimaika ny ministeran’ny tontolo iainana. Misimisy ihany mantsy ny dosie efa miparitaka momba io raharaha io, ary ny minisitra teo aloha ny Dr Randriamiandrisoa Joseph dia efa namoaka anarana mihitsy tamin’ny fotoan’androny. Izy mirahalahy ireto moa dia samy olon’ny ankolafy Zafy Albert, ka efa fantatra ihany ny ampamoaka nataon’ity farany momba ny boaderozy. Mety azo heverina, araka izany, fa efa mahafantatra anaran’olona ny praiminisitra Beriziky matoa sahy milaza fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy marina ny fomba fanatanterahana ny fanadihadiana sy ny hoe mety eto Antananarivo no atidoha mikotrika ny trafikana boaderozy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT