Actualités

Fanadihadian’ny «Brigade de recherches» «Fandemen-tsaina ny mpiasan’ny Jirama»


  • Talata 08 Septambra 2015

Tsy nisy notazonina teny amin’ny «Brigade de recherche» izay niantsoana azy dimy mirahalahy mitarika ny fitokonan’ny «Inter-syndical» ny Jirama, ireo mpiasan’ity orinasam-panjakana ity izay nanaovana fanadihadiana teny an-toerana omaly.

 


 

Ny momba ilay baomba artizanaly izay hita teny amin’ny biraon’ny Jirama teny Ambohijatovo moa no fantatra fa antony niantsoana ireto mpitarika fitokonana ireto. Ny tapak’andro maraina manontolo no nihainoana azy ireo ary raha ny vaovao voaray dia mbola hitohy ny fikarohana. Ireo mpiasa avy natao famotorana kosa dia nilaza fa hamonjy ny foiben’ny Jirama eny Soanierana aloha handinika izay mety ho fomba hanohizana ny tolona. «Fandemen-tsaina anay ity resaka fiantsoana teny amin’ny «Brigade de Recherches Criminelles» ny zandarimariam-pirenena Fiadanana ity saingy tsy hampihemotra ny tolona izany» raha ny nambaran’ireo mpiasan’ny Jirama. Tsy miova ny fitakiana fa ny fialan’ny Tale jeneralin’ny orinasa sy ny fampiatoana ilay fifanarahana izay nanomezan’ny fanjakana ny fitantanana ny foibe eny Mandroseza ho an’ny orinasa amerikanina «Symbion Power».

Ho an’i Horace Gatien, minisitry ny Angovo indray dia efa mihena am-pitoerana toy ny fen’antitra ny fahitany ny isan’ireo mpiasa mitokona eo anivon’ny Jirama ka anjaran’ny sampana mpanelanelana eo anivon’ny mpanara-maso ny asa-panjakana no hamaritra, hoy ny minisitra na mbola tokony hitohy izany fitokonana izany na hajanona amin’izay. Momba ny fahatapahan-jiro matetika dia nanambara ny minisitra fa noho ny fanoloana fitaovana vaovao no antony.

 

Andry Ratovo

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT