Actualités

Fanabeazana Nankalaza ny “andron’ny antily” ny Diosezy Antsirabe


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Nankalazaina voalohany ny "Andron’ny Antilin’i Madagasikara" ny 23 martsa 2015 lasa teo.

 

 


 

 Ho an’ny Diosezin’Antsirabe dia ny faran’ny herinandro no nakalazana izay ny tamin’ny alalan’ny fifampizarana akanjo tamin’ireo olona sahirana tao amin’ny fokontany Antsenakely sy Ampatana ary Ambavahadimangatsiaka ka olona nanodinana 170 no notolorana akanjo tamin’izany. Taorian’izay dia nitohy tamin’ny alalan’ny diabe namakivaky an’Antsirabe ny fankalazana izay narahina fiaraha-mikorana ary nofaranana tamin’ny fiaraha-mivavaka ny alahady 22 martsa 2015. Raha tsiahivina, ny 23 martsa 1923 no nijoroan’ny Skoto katolika voalohany teto Madagasikara ka mbola rantsan’ny Skoto frantsay izy tamin’izany ary dia 92 taona katroka izany no nijoroan’ny fikambanana Antilin’i Madagasikara na ny skoto katolika zazalahy eto Madagasikara. Nambaran’ny filohan’ny Diosezy, Ny filoha Ravaoarinoro Marie Jeanne Isabelle moa fa antony nisafidianana ny fanampiana ny sahirana dia tafiditra ao anatin’ny asa soa fanaon’ny skoto ny fifanampiana ary ao anatin’ny vanimpotoanan’ny karemy rahateo koa izao ka ampianarina hahay hifampizara ny beazina, izay tafiditra amin’ny fanabeazana azy ireo mihitsy izany.

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT