Manoloana izao fiandohan’ny taom-pianarana 2012-2013 izao dia nanao fanamarihana ny mikasika ny maha zava-dehibe ny asa fanabeazana ny zaza malagasy ny talen’ny sekoly La Columba etsy Ambatomainty sy Ankadikely Ilafy.
Nambaran-dRazafindrazaka Lala, tompon’andraikitr’ity sekoly tsy miankina ity fa andraikitra goavana ny asa miandry ireo mpanabe rehetra manerana ny Nosy noho izy ireo nametrahan’ny ray aman-dreny fitokisana mba hanabe ny zaza. Faharoa dia ny famolavolana ny hoavin’ilay zaza mihitsy izay miantoka ny hoavin’ny firenena rahatrizay. Ho an’ity sekoly ity dia anisan’ny ezaka goavana atao amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao ny fanatsarana hatrany ny fampianarana ny teny frantsay sy hampirisika hatrany ny mpianatra mba hanao ny tsaratsara kokoa hatrany. Ny alatsinainy lasa teo moa no niditra ny “garderie” ka hatramin’ny kilasy fahavalo ao amin’ity sekoly raha ny 08 oktobra ho avy izao kosa ny lycée sy ireo afaka BEPC hiditra ao amin’ny taona voalohany ho an’ny fampianarana teknika. Mampiavaka ny sekoly moa raha tsiahivina fa fisian’ny kilasy maitso isan-taona ho an’ny kilasy rehetra hahafahan’ny ankizy misokatra amin’ny tontolo manodidina azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.