Firenena tsy nahatratra ireo tanjona enina voalazan’ny programa «Fanabeazana ho an’ny rehetra» amin’ity taona 2015 ity i Madagasikara. Mahatsiaro ho manana andraikitra amin’ny fanatontosana io fandaharanasa io anefa ny «Coalition Nationale Malgache pour l’Education Pour Tous».
Efa niroso tamin’ny ny fanomezana fampiofanana ireo mpikirakira vaovao hampahafantatra ny maha zava-dehibe ny fahafahan’ny isam-batan’olona misitraka fanabeazana ohatra ny fivondronam-pirenena Malagasy resy lahatra amin’ny fanabeazana ho an’ny rehetra. Vao avy nanatanteraka ny atrikasam-paritra tao Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo namakafaka ny seha-panabeazana sy ny politika voarakitra ao anatin’ilay drafi-panabeazana Malagasy ihany koa ny fianakaviamben’ny Conamept. Tontosa nandritra io fotoana io rahateo ny fanangonana ireo soso-kevitra mavesa-danja mikasika ny tontolon’ny fampianarana. Hatolotra ireo tompon’andraiki-panjakana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola anio eny amin’ny hotely Ibis Ankorondrano moa ireo volavolan-kevitra hanatsarana ny drafi-panabeazana Malagasy avy amin’ity fiarahamonim-pirenena mandala ny fanabeazana ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.