Miantso ny manampahefana manomboka amin’ny filoham-pirenena, antenimieram-pirenena, lehiben’ny faritra, indrindra ny Bianco mba hanara-maso ny vola sy fitaovana amin’ny alalan’ny CLD (Komitim-paritry ny fampandrosoana) ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna 9 any amin’ny distrikan’i Morombe.
Nisy zavatra tsy mazava tamin’ny fitsinjarana ara-bola. Rehefa nanontaniana ny mangarahara mikasika ny fitantanana ny volan’ny CLD ny tenako tamin’izay fotoana izay, dia niezaka ny depiote nanala ahy tsy ho filoha lefitra intsony, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambahikily sady filoha lefitry ny fikambanan’ny ben’ny tanàna any Morombe ity, Atoa Azady, izay filoha lefitry ny CLD ny taona 2016. Tamin’izany no efa nisy ny tsy mangarahara. Miverina indray ny kimaizimaizina, ka ambaran’izy ireo fa tsy programan’ny antoko politika MAPAR ny fizarana ny CLD fa programan’ny kaominina, ho amin’ny fampandrosoana ny vahoaka manontolo. Toa zary lasa hanaovana propagandin’i Andry Rajoelina kanefa volam-panjakana. Tsy tokony hanononana hoe avy amin’i Andry Rajoelina ireo fitaovana ireo, hoy ireo ben’ny tanàna, izay lany tamina antoko samihafa. Tsindriako eto fa anaovan’ny MAPAR propagandy ankehitriny ny fametrahana ireo fitaovana toy ny fahitalavitra Ecran Plat, Panneau Solaire sy ny pitsopitsony miaraka aminy, izay notapahan’ny ben’ny tanàna fa tokony hahazo dimy isaky ny kaominina. Gaga anefa izy ireo fa tsy misy fantany na ny fahatongavan’ny fitaovana na ny fitsinjarana ireo fitaovana ireo, avy amin’ny CLD. Ankoatra izay, ireo ben’ny tanàna rehetra any Morombe dia tsy hanome alalana aloha amin’ny fametrahana ireo fitaovana ireo any amin’ny kaominina misy azy avy. Tokony hisy koa fanitso ho an’ny trano sekoly EPP sy CEG na ny Lisea na ny biraom-pokontany izay tsy misy tafo any amin’ny kaominina 9 amin’ireo fitaovana tokony hotsinjaraina. Ny zoma izao izy ireo no hivory handinika ny momba izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.