Actualités

Fampitambarana ny kaominina Ivato Tena hitondra fampandrosoana


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Olana nanakana ny fandrosoan’ny tanànan’Ivato Firaisana sy Ivato Seranana hatramin’izay ny fandinihana maimaika ireo faritra mampisaraka azy ireo. Niteraka disadisa hatrany teo amin’ireo mpitantana nifandimby ny tsy fahamatoran’ny famaritana ireo kartie ao anatin’ny kaominina isanisany. Raha fiaraha-miasa ho fampivoarana ny fiainan’ny mpiara-belona no nantenaina tamin’ny fisian’ireo kaominina roa vavahadin’i Madagasikara dia nanjaka tanteraka ny fifanilikilihana teo amin’ity sehatra ity

 


 

. Tena sarotra, ohatra, ny fikarohana tanàna mpiara-miombon’antoka noho io fizaran’ny tanàna tsy voafaritra mazava io ary raha nisy aza dia nihemotra tamin’ny dingana efa nirosoana, hoy ny dokotera Ndimbisoa Mamy Andriamahafaly. Resy lahatra tanteraka kosa ny tenany fa tena hitondra fampandrosoana mirindra sy milamina ity fanapahan-kevitra hampitambatra ho iray ny kaominina Ivato ity. Vonona hamaly ny antson’ireo fikambanana sy antoko ary raiamandreny ao an-tanàna amin’ny fangatahan’izy ireo ho kandida ben’ny tanàna moa ity mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita sady efa nitantana ny kaominin’Ivato Firaisana teo aloha ity.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT