Tontosa soa aman-tsara iny ny fihaonana manokana natao hifankahazoan’ireo mpikamban’ny governemanta am-po mba hahamora ny fifandraisana sy ny serasera hanatsarana ny fomba fiasa na ilay antsoina hoe « Team building » izay natao tany Mantasoa.
Fomba fiasa iray natao hifankahalalana bebe kokoa sy hamafisana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiara-miasa raha hazavaina tsotsotra. Mahalasa saina kely ihany hoe misy tadin-dokanga mila alamina ve ao sa misy paikady be tiana ampiharina no mivory misintaka tahaka izao ny governemanta. Ary nahoana anefa no nanindry mafy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly hoe mba miasa mafy ihany anie ny governemanta fa ny serasera fampahafantarana izany amin’nyMalagasy no tsy ampy ka mila hatsaraina e !
Variana manenjika mpanao gazety
Rehefa jerena anefa dia toa tsy mahagaga ihany ny zava-mitranga eo amin’izay lafiny serasera eo anivon’ny fitondram-panjakana izay satria ny minisitera tompon’andraikitra ilaozany variana manenjika mpanao gazety amin’ny alalan’ny fiezahana hifehy ny tontolon’ny haino aman-jery eto amin’ny firenena mihitsy. Eo ny fanilihana an-kolaka ireo orinasan-gazety mpitati-baovao manelingelina ny fitondrana amin’ny alalan’ny fandripandrika isan-karazana apetraka ao anatin’ny arofenitra fitsinjarana ilay karatra maha matihanina ny mpanao gazety. Eo ihany koa anefa ny tsy fahalalahana eo amin’ny fikaroham-baovao ataon’ny mpanao gazety tsirairay. Ny 12 febroary teo, ohatra, dia nisy ny naoty navoakan’ny prefektioran’i Mahajanga izay mandrara vondrona tsy hanao fanambarana amin’ny haino aman-jery. Naoty izay hita ho manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra tanteraka ka amin’ny fomba ahoana moa no hampiparitaka ny vaovaon’ny fitondram-panjakana raha toa ka sady malaina manome vaovao ofisialy ireo tompon’andraikitra ambony no sady manenjika ny mpanao gazety tokony hiarahany miasa ny minisiteran’ny serasera ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.