Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Le Pave Antaninarenina omaly ny mombamomba ilay fampisehoana hotanterahin’ny mpihira ara-pilazantsara EXO.
Mandalo eto Madagasikara indray izy ireo 15 taona aty aoriana ary hanao seho etsy amin’ny ARENA Ivandry mitondra ny lohateny hoe « takarivam-pahasoavana » ny 1 mey amin’ny 7ora. Mialoha an’izay anefa dia hisy ny atrikasa eny amin’io hotely io ihany izay natokana ho an’ireo mpidera sy mpitarika ary mpitendry hira fiderana manomboka amin’ny 19 ora sy sasany maraina amin’io voalohan’ny volana mey io ihany. Tanjona ny hanomezana fahalalana sy tari-dalana amin’ny asa fanompoana iandreketan’ny mpisehatra amin’ny filazantsara. Ary ny tena lehibe indrindra dia ny antsa fiderana atao ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny zoma 14 mey 2018 manomboka amin’ny 17 ora hariva. Mampiavaka ny atao ao ny hisian’ny vavaka sy fampaherezana manokana manoloana izao olana mianjady amin’ny firenena izao. Ankoatra izay dia hisy ny tononkira miaraka amin’ny dikany amin’ny teny Malagasy izay azo jerena sy hirain’ny mpijery. Hiavaka ity fampisehoana ity satria Malagasy daholo no ekipa handrafitra ny mpitendry, ny feo lafika ary ny mpandihy. Toerana tokana ihany kosa no azo hanjifana ny karatra dia eny amin’ny mpiara-mamaky ny baiboly Antaninarenina.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.