Andro vitsy sisa no isaina dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska isika. Ankoatra ny fihinanana sakafo miova kely amin’ny mahazatra dia maresaka ihany koa ny fivoahana mitsangantsangana sy ny fijerena fampisehoana karakarain’ireny tranom-pamokarana maro samihafa ireny.
Amin’ny ankapobeny anefa dia tena mandiso fanantenana ny mpanjifa izy ireny. Raha mpanakanto malaza iray mantsy no tena handehanan’ny mpankafy amina toerana iray ary handoavany saram-pidirana 5.000 Ar, ohatra, dia hira efatra monja no hataony raha betsaka sady efa taraiky ihany koa izy vao tonga noho ny fanenjehany ireo toerana maro. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireny tranom-pamokarana ireny dia fotoana tena fikaraman’izy ireo sy ny mpanakanto ny fety tahaka izao. Miankina amin’ny fifanarahana anefa no hitetezan’izy ireo toerana maro. Misy amin’izy ireny no manao antsasany fotsiny amin’ny sarany 3 tapitrisa Ar. Misy ihany koa ny manao hira dimy na folo amin’ny sarany 4 hetsy Ar. Mbola miankina amin’ilay mpanakanto ihany koa anefa izay ho an’ny Manjar’Art production na mbola vaovao izy na efa tena be mpankafy. Ho an’ny tarika Ny Ainga dia toerana roa ihany no tetezin’izy ireo amin’ny alatsinainy ho avy io fa 6 tapitrisa Ar no hakana ity tarika ity. Ireo hira tena nahafantaran’ny mpankafy azy no hataony. Manomboka amin’ny 10 ora eny Imerintsiatosika ary amin’ny 3 ora tsy diso etsy Antsahamanitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.