Actualités

Fampiroboroboana ny fizahantany Hiara-kiasa ny fanjakana sy ny Airtel


  • Talata 30 Janoary 2018

Mba hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany eto amintsika ka hanasongadinana ireo toerana ahitana karazan-java-maniry sy biby hananantsika tsy fahita any ivelany dia hikarakara fifaninanana ho an’ny olom-pirenena rehetra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fizahantany sy ny orinasam-pifandraisana Airtel.

 
 “I love you Madagascar” no lohahevitra nampitondraina ny hetsika. Hisokatra amin’ny alakamisy fiandohan’ny volana febroary ho avy izao ny fisoratana anarana. Hiseho amin’ny endrika maro ny fifaninanana, raha araka ny fanazavana azo omaly. Anisan’ireny ny sary pika. Eo ihany koa ny horonantsary mihetsika raha tsy latsa-danja amin’izany ny famoahana ny hakanton’i Madagasikara amin’ny alalan’ny soratra izay miaraka aminy. Manerana ny Nosy no hanaovana ny fifaninanana. Olona manodidina ny 3 tapitrisa eo ho eo no ezahina hahazo tombontsoa, mpanjifan’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar ankoatra ireo mpanjifa avy amin’ny tambajotra hafa. Alefa mivantana avy hatrany amin’ny adiresy mailaka iloveyoumadagascar@gmail.com ireo rakitsary sy soratra vonona hifaninana. Isaky ny faran’ny volana dia olona miisa dimy no ezahina hahazo loka, anisan’ireny ny fahafahana mandeha miala sasatra any Nosy-be sy Sainte Marie. Tsy latsa-danja amin’ireny ireo karazana fanomezana maro samihafa avy amin’ny Airtel. Tontosa soa aman-tsara omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mifandraika amin’izay.

 

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT