Actualités

Fampirantiana Madajeune : Tratra ny tanjona


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Tratra ny tanjon’ny fikambanana Mada- Jeune. Trano heva miisa 17 no miranty namomboka omaly etsy amin’ny hotely Carlton Anosy manome toro-làlana ireo mpianatra te hanohy fianarana any am-pitan-dranomasina. Oniversite maro avy amin’ny firenena samihafa no azo isafidianana ao amin’ity

 

   fampiratiana ity ka anisan’izany Frantsa, Etazonia, Torkia,  Indonesia,India, Maroka, Morisy  Afrika Atsimo sy ny maro hafa ihany koa. Ankoatri’ireo trano fampiratiana dia misy famelabelarana ataon’ireo oniversité samihafa ihany koa ao amin’ny hotely Carlton ka hoan’ny androany dia ny oniversité avy any Afrika Atsimo, sy ny avy any Frantsa no anisan’ny hanao famelabelarana ao.

Mahaliana ireo tanora Malagasy ilay fampiratiana fa ny tena nahasarika tanora maro dia ny trano hevan’ny fikambanan’ireo mpianatra nandranto fianarana tany Etazonia na Usga.  Misokatra amin’ny sokajim-pianarana rehetra ny any Etazonia ary miara-miasa amin’ny masoivoho Amerikanina rahateo ireto mpikambana  ao amin’ny Usga ireto. Marihina fa mari-pahaizana Bakalorea ka hatrany amin’ny bakalorea miampy efa –taona no  afaka mandray toro-làlana ao amin’izy ireo. “Betsaka ihany ireo sekoly ambony any an-dafy no azo andratoana fahalalana fa maro no tsy fantatry ny tanora Malagasy. Izay no nanosika anay nanao ity  hetsika ity” hoy  Lahatra Andriamahatsangy, filohan’ny fikambanana Madajeune.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT