Nanamarika ny fahatsiarovana ny herinandro ho an’ny fampinonoan-dreny isika nanomboka omaly, hetsika haharitra hadimiana
. Tetsy amin’ny INSPC Mahamasina no nanokafana ny lanonana tamim-pomba ofisialy tamin’ny alalan’ny valandresaka narahina adihevitra niarahana tamin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Lohahevitra noraisina ny hoe : “mampinono sady miasa, afaka miaraka tsara”. Araka ny nambaran’ny dokotera Randriamasiharijaona lehiben’ny sampandraharahan’ny fanjarian-tsakafo eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tokoa mantsy dia mahatratra hatrany amin’ny 98 % ny salanisan’ireo vehivavy Malagasy mampinono amin’izao saingy betsaka ireo tsy fahatomombanana hatrehin’izy ireny amin’ny ankapobeny. Anisan’ireny ny tahotra sao dia horoahin’ireo mpampiasa ka tsy afaka mampinono ny zaza eny anivon’ny orinasa … Antony nanaovana ity valandresaka ity ny hahafahana mitady vahaolana mifandraika amin’izany mba hitombo isa hatrany ireo orinasa ho lasa sakaizan’ny zaza, misy ivontoerana hahafahana mampinono azy ireny. Narahina fijoroana vavolombelona nataon’ireo renim-pianakaviana marobe nahazo tombontsoa tamin’ny fampinonoana ny zanany izany, hahafahana manentana ny hafa ihany koa. Hisy moa ny famoahana tsoa-kevitra mifandraika amin’izany izay arahina fampiharana ihany koa ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.