Actualités

Fampindramam-bola madinika Mandrahona hitokona ny ACOA Famonjena


  • Alarobia 08 Septambra 2010

Mpikambana maro eo anivon’ny ACOA famonjena no tsy afaka maka ny volany ara-dalàna teo anivon’ny Caisse efa ho telo volana. Araka ny fanazavana azo eo anivon’ny mpikambana vaky taraina dia manana olana ara-bola ity ACOA Famonjena ity, noho ilay raharaha fifandroritana eo amin’izy ireo sy ny tambajotra Littoral.

Amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao dia miantso vonjy ny mpikambana tompom-bola sy manana tahiry rehetra fa “hanao fitokonana izy ireo raha tsy voavaha haingana izao olana mikasika ny vola tahiriny izao, mba entina hanomanana ny fidiran’ny mpianatra sy hikarakarana ny fiainana iray manontolo”. Betsaka ny dingana sy fandeferana natao amin’ny fikaroham-bahaolana araka ny nambaran’ireo mpikambana. Nisy fotoana koa aza dia ny fanjakana mihitsy no nanampy azy ireo tamin’izao fahasahiranana ara-bola izao saingy tsy mbola nahitana vahaolana maharitra izany hatramin’izao. Araka ny fanazavana azo sy nangonina dia “vokatry ny fampindramam-bola nataon’ny ACOA Famonjena tamin’ny ACOA Modely sy SEPT ACOA, izay tsy naha-tafaverina ny vola nampindramina no niteraka ny olana ho an’ny mpampindrana”; manginy fotsiny ny vola mihitsoka any amin’ny banky sy ny Trésor.

Manaitra ny sain’ny tomponandraiki-panjakana ireo mpikambana very vola ireo, mba hikaroka vahaolana amin’ity raharaha ity, satria mahatratra 19.000 eo ho eo ny mpikambana ao anatin’ity ACOA Famonjena ity, izay misandrahaka amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, ka hanahirana ihany raha hitokona an-dalambe hitaky ny fananany sy ny volany izy ireo. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT