Actualités

Fampihavanam-pirenena Nanaovana fakan-kevitra mitety faritra


  • Talata 30 Oktobra 2012

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny SEFAFI na «Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena», nandinihana mikasika «ny famotsoran-keloka, ny fisian’ ny tsy maty manota ary ny fampihavanam-pirenena»

 Taorian’i Toamasina, Toliara, Fianarantsoa ary i Antananarivo dia anjaran’Antsirabe indray ny nampiantrano ny atrikasa nokarakarain’izy ireo ny zoma 26 oktobra 2012 lasa teo. Mpanao politika, mpitondra fivavahana, mpampianatra, mpikatroka avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, mpanao gazety ary mpandraharaha ara-toekarena no nandray anjara tamin’izany, izay navitrika tokoa tamin’ny fandraisan’anjara tamin’ireo adihevitra samihafa.

Nafàna tokoa, araka izany, ny adihevitra satria tena raharaha atrehina sy mavaivay amin’izao fikarohan-dalana hivoahan’ny firenena amin’ny kirizy izao ireo nodinihana tao. Anisan’ny nisongadina ihany koa fa tsy nankasitrahan’ny maro ny fomba nisafidianana ireo olona roa hisolotena an’i Vakinankaratra ao anatin’ny FFM na «Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena» izay nitarika resabe nanerana ny Nosy mihitsy. Tsy maintsy hatao anefa aloha ny hisian’ny fitoniana, amin’alalan’ny marimaritra iraisana, hahazoa-miroso amin’ny fifidianana heken’ny rehetra. Fa misy kosa ny tsy tokony hekena mihitsy toy ny kiantranoantrano mbamin’ny fanaovana ny rafitra na ny didy aman-dalàna ho fitaovan’ny antoko na ny olom-bitsy. Manodidina an’ireo ny ankabeazan’ny hevitra nivohitra avy tamin’ity atrikasa ity izay tohanan’ny masoivohon’i Alemaina ity.

 
Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT