Actualités

Fampielezan-kevitra Tsy mahavoa-drindrina ireo mpanohana ny ENY ao Antsirabe


  • Zoma 15 Oktobra 2010


Tsy mbola niantsehatra tao Antsirabe mihitsy hatreto ireo mpanohana ny ENY na dia efa roa herinandro aza izay no nanombohan’ny fampielezan-kevitra mikasika fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Na ny tabilao manoloana ny biraon’ny Faritra sy ny Distrika aza dia ny efitra natokana ho an’ny fanjakana ihany no mba misy afisy kely fa ny ankoatra izay dia mbola babangoana tanteraka. Nisy ihany fizarana ny takelaka misy ny tolo-dalàna momba ny lalàmpanorenana saingy vitsy izany ary saika ireo sampandraharaham-panjakana ihany koa no nomena fa tsy ny sarambabem-bahoaka. Araka ny fantatra dia tsy misy sahy midina any amin’ny Fokontany ireo mpanohana ny ENY sao tsy mahavory olona na hitsanga-menatra ka aleo aloha mamitsaka. Raha ny zava-misy dia tsy mbola hita taratra ao Antsirabe mihitsy aloha ny hoe fisiana fifidianana raha atao indray mijery amin’izao fotoana izao, na ny fananganana ny mpikambana amin’ny biraom-pifidianana aza dia ny alahady ho avy izao no hiantsoana fivoariambem-pokonolona ka asa raha toa ka hahavory olona indray na tsia fa dia ho hita eo. Ny zavatra hita ihany koa dia ny Distrika no miezaka mametaka afisy miendrika Naoty fanaikana ny mpifidy eran’ny elanelan-tranon’Antsirabe fa tsy mbola nisy famorian-bahoaka nataon’ny mpanohana ny ENY mihitsy aloha. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT