Actualités

Fampidanganana vidin-jiro Hararaotina ny fahalemen’ny vahoaka


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Midangana ny vidin-jiro ankehitriny. Tafakatra hatrany amin’ny 80% ho an’ny mpanjifa mampiasa ny « tarif 16 ». Vidiny tokana 370Ar/kwh, fa tsy misy intsony ny “1ére tranche” sy ny “2éme tranche” nanomboka ny faktiora janoary 2018.

 Ho an’ny teo aloha kosa dia 130Ar/kWh ny “1ére tranche”, izany hoe ny fandaniana 25kwh no ho midina, raha toa ka 205Ar/kwh kosa ny “2éme tranche”. Velon-taraina sy tsy mahazaka io fidangany io ny mpanjfa satria tsy nanam-po izany velively, hany ka tahaka ny sosoa voatapo-drano. Fisondrotana 10 ka hatramin’ny 15% no noresahina kanefa fitaka bevava izany, fa tsy arakarak’izay ny fisondrotana. Velon-taraina sy mimenomenona ny vahoaka eo anatrehan’ny zava-misy, saingy toa mijanona eo sy manaiky holembenana ihany avy eo. Tsy mba misy akory ny hetsika sy firaisankina tsy fankasitrahana izany, eny fa na ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa aza mangina sy tsy andrenesam-peo. Etsy an-kilany dia hararaotin’ny fanjakana amin’ny fahalemeny ny Malagasy, ka tratry ny tian-kano tsy tian-kano lava amin’ny lafin-javatra rehetra. Midangana ny vidim-bary dia ampanantenaina poakaty lava, mandeha ny fifidianana dia hampanekena ny halatra sy ny tsy rariny, toy ny hala-bato … Raha ity resaka vidin-jiro ity, dia tsy ny vahoaka mihitsy no naka ana miliara tany anaty kaontin’ny Jirama ka tsy maintsy mamerina izany, saingy izy no terena hizaka ny tsy eran’ny aina, mba hanentsenana ny fatiantoka sy tsy fahaiza-mitantana. Voizina ny hoe mba hisian’ny fizakan-tena ara-bola, saingy nahoana ny vahoaka no terena hizaka izany ? Tsy mahita vahaolana hafa ve ny mpitondra fa tsy maintsy ny Malagasy efa difotry ny fahantrana no hovolosana lava eto ? Tsy arakaraka ny hireharehan’ny filoha Rajaonarimampianina amin’ny hoe efa mamokatra 182MGW ny eto Antananarivo amin’izao fotoana izao ary ho nofinofy sisa izany delestazy izany. Ny orinasam-bahiny mibizina sy maka tombony amin’ny Jirama no hireharehana, ary efa karazan’ny bizina maloto hoenti-mambotry ny Malagasy mihitsy, saingy mbola sahy midedaka ihany. Efa tena fanompana vahoaka an-kitsirano. Hiandry fidinana an-dalambe ve vao ho taitra sy hikoropaka ary hahatsapa fa tsy faly ny Malagasy?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT