Voararan’ny lalàna tanteraka ny mampiasa zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Mbola maro anefa ny tranga misy momba izany eto Madagasikara na dia misy aza ny lalàna mandrara izany.
Misy ny karazan’asa izay mbola afaka ataon’ny ankizy ; ireo ilay sokajiana hoe asa malefaka izay azo tanterahan’ny manana salan-taona 15 taona no miakatra. Misy kosa ireo tena tsy tokony ataony intsony tahaka ireo asa mamoafady sy mamotika ny ankizy amin’ny ara-pahasalamana sy ny na ara-tsaina. Io ilay antsoina hoe « pire forme » izay tena voararan’ny lalàna. Afaka mandray andraikitra avy hatrany ka mitory ny olona izay mampiasa zaza tsy ampy taona eny amin’ny polisy misahana izany ireo izay mahatsikaritra tranga tahaka izany araka ny fanambaran-dRamatoa Andrianambinina Bakomalala Mamisoa, inspektoran’ny asa. Araka izany dia afaka manala an’ilay ankizy miasa eny amin’ny toeram-piasany avy hatrany izy ireo amin’izay zava-misy iza . Tokony hampandre haingana amin’ny manam-pahefana ihany koa izay olona mahita zaza tsy ampy taona hita ao anatin’ny izany sehatra « pire forme » izany. Olana ny fahavitsian’ny inspektoran’ny asa ka ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny rehetra ahafahana’izy ireo midina eny an-toerana avy hatrany ny amin’izay fitarainana rehetra misy.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.