Amin’ny tapaky ny volana jolay ho avy izao no fe-potoana farany hahafahana manafatra ny karazana finday voasokajy ho foza orana eto amintsika, hoy ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Atoa Nepatraiky.
Noho ireny karazana finday ireny mampanano sarotra ny asa tanterahin’ny mpitandro ny filaminana no nambarany fa antony toy ny fakana an-keriny, ny asa fisolokiana maro isan-karazany…. Amin’ny ankapobeny anefa dia saika ireny finday foza orana ireny avokoa ny hampiasain’ny olona noho izy mora sady tsy tian’ny mpangalatra. Lohalaharana amin’ireny ireo mpanao taxi-phone….Saika tsy mankasitraka ity fanafoanana ny fampidirana finday ity eto amintsika ny rehetra. Santionany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Atoa Hajavola : Ny zava-dehibe amiko dia ny asan'ilay telefaonina. Rehefa mahavita izay zavatra tadiaviko izy de izay. Mbola mampiasa telefaonina foza mihitsy aho izao an ! Ny antony, tsy manana olana aho raha sanatria very na lasan'ny mpangalatra ilay izy.
Rtoa Sissi : ilay telefaonina foza orana aloha hitako hoe : misy ilana azy e ! Raha ohatra ka mianjera izy ireny dia tena mafy mihitsy raha oharina amin’ny Android nefa mahavita ny asany ara-dalàna tokoa. Mikasika ny securité indray ny telefaonina foza azo raisina amin’ny toerana sy amin’ny fotoana rehetra fa tsy tian’ny mpangalatra. Tena tombony be ilay izy ka !
Rtoa Annie : Ho ahy manokana miankina amin’ny asan’ilay olona ny fetezan’ilay fampiasana finday foza orana na tsia. Raha asa birao na amin’ny secteur tertiaire, ohatra, tena tsy possible ny fampiasana azy io satria azo antoka fa mila mailing, agenda, … le zavatra. Tsy azo atao amin’ny telefaonina foza izany. Raha mampiasa android indray anefa dia tena tsy azo atao ireo na ao anaty embouteillage aza .
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.