Mahatratra 20 miliara ariary ny vola avy amin’ny taratasin-tsolika tsy voaloan’ny fanjakana amin’ireo kaompanian-tsolika 4 eto amintsika ka izay no nahatonga ireto farany tsy mety mandray intsony ny CCAL (Chčques Carburants et Lubrifiants).
Tsy maintsy hamarinina tsara anefa na tena izy na sandoka ireo taratasin-tsolika tonga ao aminay vao aloa ny vola, hoy ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-pirenena Feno Jean Pierre. Tsy tokony hihoatra ny telo volana anefa ny fanefana ny vola, araka ny fanazavany ihany. Hisy ihany koa ny taratasin-tsolika vaovao havoaka indray ato ho ato mba hanamafisana hatrany ny hosoka. Mahatonga ny fivavangongoan’ny taratasin-tsolika eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana ihany koa ny fahamaroan’ny olona mamadika azy ireny ho vola ary maromaro ny toby fivarotan-tsolika manaiky manao izany, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Efa tamin’ny fiandohan’ity taona 2015 ity moa no nambara fa hosoloina karatra elektrônika ity taratasin-tsolika ity saingy tsy tontosa hatreto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.