Actualités

Fampiasana sy fampijaliana zaza tsy ampy taona Nampidirina am-ponja ilay ramatoa mpampiasa


  • Alarobia 03 Jona 2015

Tovovavy iray tokony ho 16 taona niasa an-trano no niharan’ny fampijaliana sy ny vono ary tondraka rano mamay tao Mahazoarivo Antsirabe.Hatramin’ny 3 taona teo ho eo no niasany tao amin’ity mpampiasa azy ity ka voalaza fa fijaliana tanteraka no niainany

 

 

satria voalaza fa sakafo tsy madio sy izay tsy lanin’izy mianakavy no omena azy, tobasana rano maloto amin’ny pô, ary kapoka fehikibo no iainany isan’andro. Voalaza fa efa nahatsikaritra sy nahalala io tranga niainan’ity tovovavy ity io avokoa na ny mpiara-monina na ny ray aman-dreniny izay tsy lavitra eo amin’ny misy ny hiasany,  saingy noho ny fandrahonana ataon’ilay renim-pianakaviana mpampiasa azy dia tsy nisy sahy nandray fepetra izy ireo. Milaza azy ho mahafantatra olona ambony mantsy hono izy, ka raha vao miteny azy izahay dia izy indray no mandrahona, hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny renin’ilay zazavavy. Tranga farany isany nahatapa-kevitra ny mpiara-monina handray andraikitra amin’ity raharaha ity moa dia ny fanondrahana rano mangotraka ity tovovavy ity nataon’ilay ramatoa mpamiasa azy ka nahatonga ny manodidina nanao fitarainana teny amin’ny fokontany ka ity farany avy eo no nandray an-tanana ny raharaha.Niakatra teo anivon’ny fampanoavana ny alatsinainy teo ity tao Mahazoarivo ity  ka taorian’io dia notanana am-ponja vonjimaika  ilay renim-pianakaviana. Mbola manaraka fitsaboana noho ireo ratra ara-batana sy ara-tsaina mahazo azy kosa ilay tovovavy.


  Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT