Actualités

Fampiasana kara-pokontany : Nitombo 8.000 tampoka ny mpifidy tao Toamasina


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010


Nitombo 8 000 ny isanny mpifidy tao Toamasina. Ankoatra izay, dia notsipahan’i Toamasina tampon-tanàna ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4. Tsy nisy afa tsy ny 41,20%-n’ny mpifidy voasoratra anarana ihany no tonga nanefa ny adidiny, na lany tamin’ny 72,96% aza ny Eny ary 27,04% ny Tsia. Ny zava-misy koa, dia nahitana fitomboana mpifidy «7.983» ny tao Toamasina tampon-tanàna tamin’ny fandraisana ilay didy hitsivolana tampoka ny androm-pifidianana iny. Raha «109.353» ny voasoratra anarana teo anivon’ny CIR Atsinanana tamin’ny fanisana farany natao, dia lasa «117.336» ireo tonga nifidy. Midika izany ho an’i Toamasina tampon-tanàna, fa olona «7.983» izay nitondra kara-pokontany sy naka ny fanamarinam-ponenana nozaraim-potsiny sy ny tompony no mameno ny ao anatiny. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT