Tsy mitsaha-mivoatra ny teknolojia eto amintsika. Anisan’ireny ny fampiasana finday izay zary efa lasa kilalaon’ny rehetra ankehitriny.
Tombony maro no azo amin’ny alalan’izy ireny toy ny fahafahana mandoa faktioran’ny JIRAMA amin’ny alalan’ny finday tsy ilana saran-dalana, ny fahafahana mandefa vola amin’ny fianakaviana na namana any amin’ny faritra lavitra… izay efa iainan’ny 60 %-n’ny mponina eto amintsika raha kely. Ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel manokana, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba ny tanjona dia ny hanalana fahasahiranana ny mpanjifa. Vao tamin’ity herinandro ity ohatra dia vonona ny hanampy ireo fianakaviana Malagasy maniry ny hahazo ireny fandaharana vokarin’ny vata fahitalavitra any ivelany mandefa fandaharana maro isan-karazany ireny izy ireo. Amin’ny alalan’ny Airtel Money no hahafahana mandoa izany ka anisan’ny voakasika ny orinasa Parabole. Azo aloa amin’ny fotoana rehetra ny fandoavana ny vola na andro na alina, raha ny fanazavana azo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.