Ny firenena Aziatika no nitana ny 57,5%-n'ny fampiasam-bola vahiny mivantana teto amintsika ho an'ny taona 2016, ka lohalaharana tamin'izany ny firenena sinoa izay nitana ny 29%, araka ny tatitra nataon'ny Economic Board of Madagascar (EDBM).
Manomboka mahazo laka eto amintsika ny firenena Aziatika, indrindra fa ny sinoa izay tompondakan’ny resaka fandraharahana sy ny bizina. Tsotra kokoa ny azy ny resaka fampiasam-bola sy fampindramam-bola satria miainga amin’ny « ty sy nday », ka rehefa hitany fa misy tombony ho azy dia hirisihany avy hatrany. Matanjaka ihany koa ny resaka fandresen-dahatra, ary sahy mamiravira volabe mihitsy ny sinoa, ka raha tsy mahay tsara ny Malagasy dia roboka, kanefa na dia zara raha mahazo tombontsoa ny firenena. Antoka iray mampiroborobo ny harinkarena ny fampiasam-bolan’ny vahiny eo amin’ny firenen’ny tena saingy mila mametraka ihany koa isika fa ny Malagasy no mifehy fa tsy isika indray no voatsindry sy voambaka lava eto, toy ny misy ankehitriny. Mahazo vahana amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, ohatra, ny vahiny saingy tsy mba misy akory izany tamberim-bidin’ny fitrandrahana izany ho an’ny faritra hialan’ireny harena ireny, eny ho an’ny firenena mihitsy, fa ny mpitondra no migoka ny tombontsoa, izay tsy mankaiza akory mitaha amin’ny haren’ny tena lasan’ny hafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.