Actualités

Fampianarana Tsy mandeha amin’ny laoniny


  • Zoma 09 Jolay 2010

Ny alatsinainy 12 jolay ho avy izao no hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany ireo kilonga Malagasy, dia ny Cepe izany. Raha ny zavatra iainan’ireo sekoly anefa dia misy tranga tsy dia mazava amin’ny fanomanana izany fanadinana izany.

Zon’ny sekoly tsirairay, miankina sy tsy miankina, ny mangataka amin’ny fari-piadidiam-pampianarana mba hiambina mandritra ny fanadinana any amin’izay toerana hanalan’ireo mpianany fanadinana ny mpampianatra ao aminy. Ho an’ity sekoly tsy miankina iray àry izay tsy nangataka kanefa dia nahazo fiantsoana tokoa ireo mpanabe saingy tsy tamin’ny toerana nangatahina, ary tsy vitan’izany fa toerana roa no asaina ambenana mpampianatra iray. Taratasy fiantsoana roa no azon’ilay mpampianatra iray. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe avy aiza no nahazoan’ny Cisco ny anaran’ny mpampianatra ? Araka ny fanazavana, raha nanontaniana ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Cisco na ilay Ceg nandefa ireo taratasy fiantsoana dia nifanilika andraikitra. Ankoatra izay, manana zo hahazo ilay atao hoe FAF mitentina 2 000 Ariary ny ankizy tsirairay eny anivon’ny sekoly tsy miankina mijoro ara-dalàna. Ny zava-misy anefa, raha ny vaovao dia tsy mbola naharay izany ireo sekoly na dia any amin’ny Cisco aza ilay ‘boky tsinjo lavitra’ hanamarinana ny fahazoan’ilay sekoly ny FAF.

Tsy mbola nivoaka, araka izany ilay vola, hoy ity Talen-tsekoly iray kanefa efa hifarana ny taom-pianarana. Tany amin’ny volana febroary–martsa tany no tokony ho nahazoana izany. Raha nanontany ny teo anivon’ny Cisco ny sekoly, raha ny fanazavany dia ny hoe : «tsy misy azo atao fa any amin’ny DREN no tokony hojerena». Rehefa nanontaniana indray ny teo anivon’ny DREN, araka ny fanazavana, dia valin-teny an’avona no nahazo anay, hoy ny fitarainan’ity Talen-tsekoly, toy ny hoe : « Ministra anontaniana na misy na tsy misy izany FAF izany ». Mandeha ny resaka, hoy ity tale, fa tsy laharam-pahamehana ny FAF kanefa tena zava-dehibe ho anay izy io satria zonay ary misy faintraikany amin’ny fitantanam-bolanay mihitsy. Io no mba fandraisan’anjaran’ny Fanjakana nefa dia tsy voaloany. Raha tsy manam-bola ny Fanjakana, dia tokony ho tsorina izany, hoy ihany ity tale, fa tsy ampifilaina ny vahoaka. Momba ny hoe ‘kit scolaires’ moa dia nambaran’ity mpanabe ity fa dia nahamenatra satria dia fomba fotsiny ihany izany satria kely dia kely : kitapo iray, pensily hazo iray, penina manga iray ary kahie 100 pejy iray ahitana ny soratra hoe HAT no mandrafitra azy.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT