Actualités

Fampianarana Nofanina ireo talen-tsekoly Antsirabe


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Ho fanatsarana sy ho fampakarana ny vokatra dia niatrika fiofanana ireo talen-tsekoly tao amin’ny Cisco Antsirabe voalohanay ny herinadro lasa teo, izay nifarana ny alakamisy 3 septambra izany.

 

 Ankoatra ny fanombanana ny voka-panadinana moa dia fantatra fa nisy ihany koa ny fampitana fahaiza-manao ho an’ireo Tale vao notendrena hisolo ireo hisotro ronono. Nambaran’ny lehiben’ny Cisco, Atoa Rasoamahefa Henri fa tanjona ny hanarenana ny lesoka satria tahaka ny nanerana ny Nosy dia nisy fidinana ny taham-pahafahana fanadinana. Niatrika ity fiofanana ity ihany koa moa ireo tale pedagojika sy ny sefo ZAP izay hifehy ireo mpampianatra amin’ny fanantanterahana ny asany amin’io taom-pianarana ho avy io. Fa tetsy an-danin’izay dia ny sekoly ambony Essva kosa no nanofanana ireo talen-tsekoly teo anivon’ny sekoly katolika nanerana ny Diosezin’Antsirabe, izay ny DIDEC kosa no nisahana izany.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT