Ela ny ela fa misy sekoly natokana ho an’ny 4’Mis na ireo ankizy mpirenireny sy mpatory an-dalambe tsy misy mpiahy eto amintsika mba hahafahana mitsinjo azy ireny.
Ny fikambanana AMACREM, tarihin-dRtoa Raharimalala Louisette no angady nananana sy vy nahitana izany. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny ny fotodrafitrasa, izay misy efitrano roa voatokana etsy Tsimbazaza ambony. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny fotoana izay nampitan-dRaharimalala Louisette hafatra ny amin’ny tokony hananan’ny rehetra finoana izay arahina asa hahafahana manatanteraka zavatra iray. Ankizy madinika miisa 120, telo ka hatramin’ny 16 taona no mahazo tombontsoa amin’izany, mianatra isan’andro, hiantohana sakafo maraina sy antoandro. Hiantohan’ny fikambanana ihany koa ny fitaovana hianaran’izy ireo, ny aron’akanjo hanaovany mandritra ny taona ary ny fikarakarana ny fahasalamany raha sanatria ka tojo aretina.
Hatreto dia manodidina ny 15.000 Ar isan’andro ny vola lanin’ny fikambanana isaky ny zaza iray, araka ny fanadihadiana natao ihany. Mizara efatra ny toerana hametrahana azy ireo izay miainga amin’ny “niveau 1” ka hatramin’ny “niveau 4”. Ho an’ireo ao amin’ny “niveau 1”, ohatra, dia natokana ho an’ireo ankizy mbola tsy nianatra mihitsy. Ny “niveau 2” kosa indray dia natao ho an’ireo efa mahay mamaky teny sy manoratra. Tosika ho an’ireo efa kinga saina kosa no hatao ao amin’ny “niveau 3” mba hahafahany miatrika ny fanadinana CEPE raha efa fianarana asa ny ao amin’ny “niveau 4” mba hahazoan’izy ireny asa mahavelona any aoriana any. Tsara ny manamarika fa mpampianatra misy amin’ireo ankizy ireo no homban-dray aman-dreniny ihany koa. Fiofanana indray no omena ireto farany mba hahafahana mamerina azy amin’ny asa nataony teo aloha saingy very izay mbola hiandraiketan’ny fikambanana ihany. Misy amin’izy ireo ihany koa no hampianatra avy hatrany ao amin’ity sekoly ity noho izy ireo efa manana traikefa momba izany ny sasany. Saika mpivavaka sy mpianatra sekoly alahady tao amin’ity toerana ao Tsimbazaza ity avokoa moa izy 120 mianadahy ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.