Vita hatreo ny fialantsasatry ny Noely. Hisantatra ny telo volana faharoa indray ny ankamaroan’ny mpianatra manomboka anio, indrindra ny amin’ny sekolim-panjakana. Hiditra amin’ny tena votoatin’ny fianarana amin’izay ny mpianatra manomboka eto.
Amin’ny Andron’ny sekoly sy Paska 2017 indray vao hisy fakana aina kely. Mialoha izao hiverenana an- tsekoly izao dia niatrika « Journée pédagogique » ny mpampianatra ny herinandro lasa iny ho fanomanana izao fidirana amin’ny telo volana faharoa izao. Mitohy ny fizarana « kit scolaire » ho an’ny mpianatra. 4 tapitrisa mahery no notsinjaraina tamin’ity taom-pianarana 2016-2017 ity, narahin’ny fizarana « Vatsin’Ankohonana » tamina Faritra vitsivitsy eto Madagasikara ho fampirisihana ny fandefasana an-tsekoly ny zaza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.