Nanatanteraka fihaonana niaraka tamin’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony Pr Rasoazananera Monique ny Birao nasionalin’ireo mpampianatra
mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Ralambomanana Dimby omaly. Nisy ny taratasy fanekena nataon’ny minisitera, hoy ity filoha nasionalin’ny SECES taorian’ny fakany ny hevitr’ireo filoha sy filoha lefitra rehetra any amin’ny Faritany nanoloana ilay fehin-kevitry ny SECES nivoaka ny 29 jolay 2015 teo momba ny fitakiana nataon’izy ireo tamin’ny fanjakana. Nambarany tamin’izany fa efa nanao ezaka ny fanjakana ka niantsoany ireo namany rehetra mba samy hiverina handray ny asany amin’izay. Avy amin’ny Birao nasionaly ny fanapahan-kevitra tamin’ny fanatanterahana ny fitokonana ary avy amin’izy ireo ihany koa ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fampijanonana ny fitokonana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.