Actualités

Fampianarana ambaratonga ambony Mahatsiaro voa mafy ny mpianatra


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Raha ny resaka manodidina ny bakalorea sy ny mety hisian’ny tsy fanatanterahana azy no nitondran’ireo ray aman-dreny vitsivitsy ny heviny teto tamin’ny farany, anio kosa dia ny manodidina ny fampianarana eny amin’ny Oniversite eny Ankatso no hitondran’ny mpianatra sy ny ray aman-dreniny fitarainana etoana.

Rahantanirina Prisca mpianatra :

“Mpianatra eny Ankatso ao amin’ny sampam-pianarana  Jeografia ny tenako ary anisan’ireo mahatsapa fa tena hianjadian’ny tsy rariny mihitsy amin’izao fahatapahan’ny fampianarana izao noho ny fitokonan’ireo mpampianatra Seces mitaky ny zony. Mahatsiaro voa mafy mihitsy ny tena nanezaka mafy tamin’ny fianarana  nandritra ny taona nefa aty amin’ny farany dia mikatso fotsiny eo noho ny fiatoan’ny fampianarana. Toa te hiray feo amin’ireo mpampianatra mpikaroka mihitsy ny tena amin’ny fitakiana ataon’izy ireo satria zony izany ary hita fa tena rariny tokoa ny fangatahan-dry zareo. Eto aho dia te hikiaka mihitsy hiantsoantso ny fanjakana mahefa hoe mba ataovy re izay mety hamaliana ny fitakian’ireo mpampianatra ireo mba ahafahanay tanora mamita ny fianarana fa ny hoavin’i Madagasikara mihitsy no voatohintohina ao anatin’ity olana ity”.

 

 

Mme  Razafimalala Hantaniaina avy eny Itaosy :

“Tena manohana izany hevitry ny mpianatra eny amin’ny Oniversite izany izahay ray aman-dreny amin’ny ankapobeny satria miara-miaina isan’andro amin’izy ireo ka mahita ny ngidy nentin’izy ireo mandavan-taona. Be mihitsy ny fiafiana natrehana mba ahafahan’ny zanaka miatrika an-tsakany sy an-davany ny fanarahana ny fianarany eny Ankatso eny raha tsy hilaza afa-tsy ny saran-dalana tsy maintsy tadiavina isan’andro fotsiny isika, ny sakafo sy ody ambava-fo, ny vola hoenti-manana amin’ny fanaovana “polycope” … Tsy misy teny hanampiana azy izay voalazan’ny mpianatra teo hoe : ry fanjakana ô, mba jereo ka hitadiavo vahaolana ity olan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversite ity mba ahafahan’ny zanakay misitraka ny fampianarana efa nikelezany aina hatramin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Tena ho very momoka ny ezaka natao raha tsy misy io famahana ny olana goavana io”.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT