Actualités

Fampiakarana vidin-tsolika 2300 Ar isaky ny litatra, hotsinjaraina in-droa…


  • Zoma 17 Jona 2022

Tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika. Efa nisy ny resaka nivoaka fa fiakarana 9000 hatramin’ny 10 000 Ar avy hatrany no hamarotana ny iray litatra takian’ireo orinasa mpaninjara solika.

Efa somary nihena io, ka karazan’ny fitifirana lanitra hahavoazana tendrombohitra ihany. Raha ny loharanom-baovao azo antoka sy mari-pototra, 2300 Ar isaky ny litatra ny fiakarana takian’izy ireo raha adihevitra teo amin’ny orinasan-tsolika sy ny Fanjakana ny fiandohan’ny herinandro teo. Nandritra ny fifampiresahana ny alatsinainy 13 jona teo io, saingy mandeha ny fifampiresahana. Raha ho voatazona amin’io 2300 Ar isaky ny litatra, dia hozaraina roa io fiakarana io, ka 1000 Ar manomboka amin’ny volana jolay, fotoana hahataperan’ny enim-bolana namerana ny vidin-tsolika teo. Any amin’ny faran’ny taona 2022 kosa no hampiharana ny fiakarana fanindroany 1300Ar, raha ny vinavina. Raha hatao an’ilay mandeha in-droa hoe hakarina 1000Ar aloha dia 4400Ar eo ny gazoala izany hoe 29% mahery ny ho fisondrotany aty am-boalohany. Hojifaina 5100Ar eo kosa ny lasantsy izany hoe 24% mahery ny ho fiakarany.Tena midangana be izany, kanefa rehefa tena hofenoina 2300Ar ny fiakarany raha ho izay tokoa no tapaka, dia 5700Ar ny gazoala izany hoe hahatratra 67% ny fiakarana hatramin’ny faran’ny taona, ho 6400Ar eo kosa no mety ho vidin’ny iray litatra amin’ny lasantsy izany hoe hahatratra 56% ny fiakarana raha tanteraka io in-droa miantoana. Tena mihoampampana ny fiakarana raha ho voatazona amin’io, kanefa mbola ambanin’ilay 9000 na 10 000Ar anefa izany. Raha ny vidin-tsolika any ivelany toy ny any Frantsa amin’izao dia 2,10 dolata izany hoe 8400Ar eo ho eo, ary karazan’ny mizotra tsikelikely amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy isika. Andrasana izay ho fanapahan-kevitra farany, fa tombanana hanodidina ny 2000Ar eo izany ny fiakarana, ary hotsinjaraina ho in-droa. Tsy ho zakan’ny toekarena Malagasy izany fa vao mainka hihamafy ny krizy. Hidangana be ny vidim-piainana, ary ho voakasika ny sehatra rehetra. Ny vidin’entana tsy maintsy hiakatra be satria hiakatra be ny saran-dàlana, ny sehatry ny fizahantany izay efa mba nosokafana ho lasibatra indray.
BETSAKA NY TSINDRY
Efa notaterina teto ihany fa betsaka ny tsindry, ary tsy miankina amin’I Madagasikara irery ny famerana ny vidin-tsolika fa eo ny vidiny iraisam-pirenena, eo ihany koa ny famerana sy fepetra apetraky ny mpamatsy vola amin’ny tsy fahafahan’ny fanjakana manao fanentsenam-bidy na “subvention” mba hifehezana ny fidangan’ny vidin-tsolika. Efa norarana ihany koa ny fanaovana “réquisition” fakana solika any amin’ny kaompania noho ny trosa hatrany amin’ny 1000 miliara Ar tsy voaloa. Etsy andaniny, tsy nahomby ilay fananganan’ny fanjakana ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay nambara fa hanafatra ireo entana ilaina andavanandro, ary tao koa ny solika, ka lalan-tsaina nitondrana azy ny hoe: amin’izay tsy misy fakana tombony be. Na ny Jirama aza manana “licence” afaka mividy solika mivantana, saingy tsy manam-bola ny Fanjakana, ny trosan’olona aza tsy voaloa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT