Actualités

Fampiakaran-karama 7% “Maneso ny mpiasam-panjakana”, hoy i Beanjara Paul


  • Zoma 10 Febroary 2017

Maneso ny mpiasam-panjakana ny fanondratana 7% ny karama, hoy ny antoko SFDM (Sehatra Fampandrosoana ny Demokrasia eto Madagasikara), anisan’ny mpikambana ao anatin’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana.

 

 Tsy arakaraka ny fiakaran’ny vidim-piainana izay efa mahatratra 30% izany, hoy i Beanjara Paul, filohan’io antoko io. Tsy ny fampiakarana karama isan-taona no ilain’ny mpiasam-panjakana fa fanafoanana ny mari-karama efa tamin’ny taona 1979 nitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka no hany vahaolana, hoy ny filohan’ny SFDM. Ilaina ny mametraka mari-karama vaovao mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny satria efa 37 taona aoriana izany no tsy nisy fanovana, fa ireo mpiasam-panjakana mahitahita sisa no mahazo tombotsoa sy hamoronana sata manokana. Tsy nisalalasala ity mpanao politika efa avy mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita ity nilaza fa hahita raharaha izay fanjakana tsy mety manao izany satria efa akaiky rahateo ny 2018, hisian’ny fifidianana filoham-pirenena. Midika io fa tsy hantenaina intsony ny fanjakana HVM, ka izay handimby azy eo izany no hoporetina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT