Actualités

Fampanofana ny EPP eto Antananarivo Mila alalana manokana


  • Talata 01 Aogositra 2017

Namoaka naoty momba ny fampiasana ny fotodrafitrasan’ny sekoly Fanabeazana fototra (EPP) manerana ny Renivohitra ny kaominina Antananarivo tamin’ny alalan’ny Sekretera jenaraliny amin’izao fotoana izao.

 Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny fiadidian’ny tanàna momba ny fitantanana azy ireny, dia mampahatsiahy ireo tompon’andraikitra rehetra ny kaominina fa raràna ny fampanofana ny efitrano fianarana sy ny tokontan-tsekoly atao toeram-pihantsonana na “Parking”. Mila mahazo fahazoan-dàlana avy amin’ny Antokon-draharahan’ny asa sosialy (DAS) izany, ary hampahafantarina ny Talen-tsekoly sy ny Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Marihina fa hatokana manontolo amin’ny fanatsarana sy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa ao aminy ny tambiny azo avy amin’ny fampiasana ny sekoly. Nanan-kery nanomboka ny 20 jolay teo ity naoty ary manafoana ireo avy hatrany ireo naoty hafa teo alohany. Marihina fa nandikana dika mitovy amin’izany ny Ben’ny tanàna ho tatitra amin’ny asa atao. Nahazo ihany koa ny DREN sy ny CISCO eto an-drenivohitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT