Actualités

Fampanjakana ny demokrasia Nizara traikefa ny Amerikanina


  • Alakamisy 09 Septambra 2010


Tanora Malagasy miisa 30 eo ho eo no nandray anjara tamin’ny atrikasa nokarakarain’ny Masoivoho amerikanina nandritra ny telo andro, ny 1 ka hatramin’ny 3 Septambra lasa teo. Atrikasa niompana tamin’ny teknika samihafa hanentanana ny tanora Malagasy handray anjara eo amin’ny ezaka ho fampanjakana ny demokrasia izy io. 

Ramatoakely Adrienne Lever, teratany Amerikanina izay anisan’ny nanomana ny fampielezan-kevitry ny Filoha Amerikanina ankehitriny, Barack Obama, no nizara ny traikefany tamin’ny ireto tanora Malagasy. Izao atrikasa izao dia tohin’ny ezaka fanohanana ny tanora handray an-tanana ny hoavin’ny fireneny, dinika nokarakarain’ny Filoham-pirenena Barack Obama tany Washington ny volana Aogositra lasa teo ka nandraisan’ny tanora Malagasy telo anjara.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT