Actualités

Fampandrosoana an'Antananarivo Manana anjara toerana lehibe ireo fokontany


  • Alakamisy 23 Febroary 2017

Nihaona tamin’ireo sefom-pokontany avy amin’ny boriborintany faha-2 sy faha-6 teny amin’ny Lapan’ny tanàna ny tompon’andraikitra vitsivitsy eo anivon’ny kaominina izay notarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

 Niatrika tao ihany koa ny mpanolotsaina manokana Marc Ravalomanana. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ity farany fa tsy hisy ny fampandrosoana raha tsy voajery ny fokontany. Ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokontany sy ny kaominina ary tsy hijerena loko politika. Mila apetraka amin’ny toerana misy azy io rafitra io. Ny zava-misy anefa dia ampidirana politika hatrany izay atao, toy ny EPP Antanimbarinandriana tadiavin’ny sasany hitsabatsabahana kanefa ny kaominina no tompon’andraikitra voalohany raha ny lalàna no arahina. Mila entanina koa ny olona hanana toe-tsaina mandray anjara mba ho fiaraha-mientana ho amin’ny fampandrosoana. Vokatry ny fidinana ifotony nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana dia natao avy hatrany ny fanamboarana ny fahasimbana eny Tsimbazaza izay miteraka loto mankany amin’ny tranon’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Nanamafy ny ben’ny tanàna fa tsy mila vokisana resaka ny vahoaka. Ireo sefom-pokontany kosa dia nanome toky fa hiara-kiasa amin’ny kaominina. Niverimberina tamin’ny fitarainan’ny sefom-pokontany ny momba ny fitsinjarana ny rano sy ny fahasimban’ny lalana sy ny tsy fahampiana eo amin’ny EPP ho an’ny faritra sasany eny amin’ny boriborintany faha-6. Teo am-pamaranana dia nilaza ny Ben’ny tanàna fa hitohy hatrany ny fidinana ifotony.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT